<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Raha tsy Jehovah
 No manao ny trano,
 Dia miasa foana
 Ny mpanorina.
 Raha tsy Jehovah
 No miambina àzy,
 Miari-tory foana
 Ny mpiambina.

[V2]
 Nahavita trano
 Ny mpianakavy,
 Ka mifaly, ravo
 Nahatsangana
 Nefa koa tsaroana
 Fa Jehovah Tompo,
 Feno fitahiana,
 No nanambina.

[V3]
 Mankasitraka aho,
 Ary koa misaotra
 An'Ilay Nahary
 Be fitiavana.
 Izay rehetra ahy
 Dia nomen'ny Ray ;
 Eny, ity trano
 Dia avy taminy.

[V4]
 Tompo ô ! tahio
 Izay miditra ato ;
 Dia arovy koa
 Izay mivoaka;
 Mba monena ato,
 Miaraka aminay
 Anjakao ny trano,
 Hiadananay.</lyrics>
<title>Raha tsy Jehovah no manao ny trano FFPM712</title>
<hymn_number>712</hymn_number>
</song>